Sport

Kung-Fu WISA – 43 taona Mitohy ny fitetezam-paritra


  • Talata 23 Mey 2023

Mitohy ny fitetezam-paritra ho fankalazana ny faha 43 taona nidiran'ny Kung-Fu voalohany teto Madagasikara ka ny

Grand Maître Avoko sy ny delegasionin’ny federasionina malagasin’ny Kung-fu WISA na FMKFW no mitarika izany. Ny zoma teo, hoy ny fampitam-baovao, no fihaonana tamin'ireo mpikatroka Kung-fu tao Ambatolampy, Antanifotsy ary nisy fihaonana tamin'ny talen'ny DRJS tao Antsirabe. Nisy koa fifampidinihina niarahana tamin'ny talen’ny kabinetran’ny kaominin’Antsirabe renivohitra ho fanamafisana ny fanabeazana. Noraisin'ny governoran'ny faritra Antsirabe manokana, Vy Vato Rakotovao moa ireto delegasionan'ny Kung-fu ireto ka namafisina tamin'izany ny fampanarahan-dalana satria saropady ny mitaiza vahoaka marobe toy izao. Ny sabotsy kosa dia anjaran'ny distrikan'i Mandoto no nanao hetsika ho fankalazana ka mpanao Kung-fu 3000 isa mahery no nanao diabe sy fampisehoana tao Ankazomiriotra ary nisy ny fanolorana «Diplôme Fédéral» nataon'ny FMKFW tamin'ireo «Maîtres Kung-fu» nahavita fanadinana. Tao an-tampon-tananan'Antsirabe kosa no namaranana ny fihaonana ny alahady teo ka marobe ny mpanao Kung-Fu tsy tafiditra tao anaty efitrano satria an'arivony koa ireo tonga nanotrona. Nisy hatrany ny fampisehoana Kung-fu sy fanolorana ara-teknika ireo mpikatroka ary fanomezana «Diplôme Fédéral» na mari-pahaizana federaly ho an'ireo afa-panadinana. Nanamafy hatrany ny Grand maître Avoko ny hanarahan'ny mpikatroka rehetra ny fitsipika mifehy ny Kung-fu WISA mba hampiakatra hatrany ny haavo teknika eo amin'ny klioba tsirairay. Nampahatsiahivina hatrany ny fanasàna ny vahoaka rehetra hitsidika ny Pejy Facebook "Mifohaza ry Gasy" fa marobe ny tombotsoa sy fahalalana tsara ho fantatra ao anatin'izany ary mety hanova fiainana sy fisainana ho amin'ny tsaratsara kokoa. Hitohy amin'ny faritra maro moa ity fitetezam-paritra ity mba ho fankalazana izany faha 43 taonan'ny Kung-fu izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT