Sport

Korontan’ny Baolina kitra Lasa sorona tanteraka ny Barea


  • Zoma 29 Aprily 2022

Hanao fanambarana eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny eo anivon’ny Federasionina Malagasy ho an’ny taranja baolina kitra (FMF) anio, raha ny tsilian-tsofina.

Mikasika ny ho avin’ny ekipam-pirenena izay tena mbola manjavozavo tanteraka no voalaza fa antony hatreto. Voalaza fa efa misy ny fampanantsoana natao ireo mpikamban’ny Komity mpanatanteraka. Hatreto, mbola mangina tanteraka ny FMF taorian’ny fanapahana noraisin’ny FIFA manome fahefana ny Filoha lefitra voalohany Atoa Victorien Andrianony ny 07 aprily lasa teo. Asa ohatry ny ahoana ny ho endriky ny fizaram-baovao anio. Etsy ankilany, mbola ambony ambany ny resa-pitantana ny FMF amin’izao fotoana izao. Iny voalaza fa tratry ny fanenjehana ara-pitsarana iny indray ny Filoha lefitra voalohany. Hatramin’izay tsy nisy an’izany, fa nahoana no hoe: rehefa ao anatin’ny fotoana handraisana fanapahan-kevitra momba ny ho avin’ny baolina kitra no misy ny fanenjehana? Efa mazava ny fanapahan-kevitry ny FIFA, saingy toa misoko miadana ny fifamelezana eo amin’ny samy mpikamban’ny FMF. Hatreto, ny Barean’i Madagasikara tsy misy fanomanana ny hiatrehany ny fifanintsanan’ny CAN 2023. Na ny mpanazatra, na ny Talee teknika nasionaly (DTN) tsy fantatra mazava hatreto. I Nicola Dupuis no efa nanambara ofisialy fa izy no lany ho DTN, kanefa ny rafitra tsy nahazo fankatoavan’ny FIFA tarihin-dry Alfred Randriamanampisoa izay nanao antso tolo-bidy ho an’izay te ho mpanazatra sy DTN, dia nosokajian’ny andaniny ho fisandohana andraikitra. Ny lalaon’ny ekipam-pirenena efa akaiky satria ny 30 may-14 jona eo ny lalao voalohany izay hifanandrinana an’i Ghana any amin’ny taniny, ary handray an’i Angola eny Mahamasina ihany koa aorian’izay. Mila fiomanana sy filaminana ny kitra fa tsy sanatria miandrandra fahaagana. Tafiditry ny politika, hany ka toa tsy mety milamina.

Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT