Sport

Komity mpanatanteraky ny FMF Mpikambana 7 amin’ny 10 no nanaiky hitazona ny Coach dupuis


  • Alarobia 28 Aprily 2021

Namoaka fanambarana ny Federasionina Malagasy momba ny baolina kitra (FMF) omaly,

 

 

fa tsy mbola nisy fanapahan-kevitra noraisina mahakasika ny mety ho fampiatoana na fanalana ny mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy Atoa Nicolas Dupuis hatreto. Noho izany, izay fanambarana rehetra momba izany dia tsy manan-kery sy fisandohana, hoy ny FMF. Nisy ny fivoriana nataon’ny Komity Mpanatanteraka na « Comité Executif » eo anivon’ny FMF ny alatsinainy teo ary dia nisy ny fanambarana navoaka omaly. Tamin’ny mpikambana 10 mandrafitra ny komity mpanatanteraka, dia nisafidy ny hitazona azy ny 7, raha toa ka nanangan-tànana mba hanapahana ny fifanarahana aminy izay tsy ho tapitra raha tsy amin’ny 2023 ny mpikambana miisa 3, ary voalaza fa any amin’Atoa Arizaka Rabekoto Raul Filohan’ny FMF ny teny farany momba ny hitazonana azy na tsia ny mpanazatra. Na tsy eto an-toerana rahateo aza ny Filohan’ny FMF, dia mbola misitraka sy mitazona feno ny zony amin’ny maha filohan’io Rafitra mpiahy ny baolina kitra eo ambany fiahian’ny FIFA io. Andrasana izay tena ho tohin’ity raharaha ity fa dia misafotofoto tanteraka ny raharaha.

 

Resabe ny fanenjehana sy fanozongozonana ny toeran’ny Filohan’ny FMF amin’ny toerany. Tsy misy azon’ny Fanjakana hatao amin’io, voafetra ny fahefany. Raha hiverenana ny tantara tamin’ny andron’ny Fitondrana Ravalomanana, dia efa nisy ny tsy fifankahazoana teo amin’ny Fanjakana sy ny Filohan’ny FMF Ahmad tamin’izany noho ny vokatra ratsy ho an’ny ekipam-pirenena. Niongana ihany ny Fitondrana fa tsy voahilika ny Filohan’ny FMF, ary tonga Filohan’ny CAF aza satria ny FIFA izay karazana Fanjakana iray eto ambonin’ny tany mihitsy no mandidy sy manapaka. Ny fanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny FMF sy ny Fanjakana no vahaolana, fa tsy hisy Filohan’ny FMF ho voaongotra izany raha tsy sitrapon’ny FIFA.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT