Komity mpanatanteraka FMF

Tafakatra 49 ireo kandida


  • Alakamisy 28 Septambra 2023

Tena fitiavana ny baolina kitra ve sa fitadiavana tombotsoa manokana sy laza fa dia manao tsy omby aloha ireo

milatsaka hofidiana handrafitra ny komity mpanantanterakan'ny federasiona malagasin' ny baolina kitra (FMF)? Efa mahatratra 49 izy ireo no hifidianana 12 ny 14 oktobra ho avy izao. Eto Antananarivo no voafidy handray izany fifidianana izany. Mety misy mivaona ihany anefa aty am-piandohana satria dia mbola ny filohan'ny ligy 16 amin'ny 22 no hifidy ary mampanahy fa mbola mety lasa akamakama fa tsy mijery ireo olona mety ahavita. Tsy ferana koa anefa ireo hanao totondry vola raha tsy hoe hiditra an-tsehatra ny Bianco ka hanara-maso ny toe-bolan'ireo kandida sy ny vady aman-janany sao misy mana tampoka avy any izay tokony hamarinina ihany koa satria dia kolikoly no anaran'izany. Sarotra ihany ho an'ireo vao hilatsaka no handresy ireo olona efa tena sokina mifankahita. Ny azo hatao angamba dia miangavy ireo mpifidy hijery hoe inona no vitan'ny mpikambana teo aloha tamin'ny sehatra misy azy toa ny beach soccer, ny baolina vehivavy, ny baolin'ny tanora. Tokony izay afaka tena hampandroso ny baolina kitra malagasy no hiantefan'ny safidy toa ireo tena nihosona raha tsy hiteny afatsy Jocelyn Nino izay teny an-kianja nandritry ny CHAN tany Alzeria. Ireo mpikambana taloha koa no ahitana an'i Patricia Rajeriarison izay nahasahy nirotsaka tany amin'ny fifidianana CAF ary tsapa fa nasesiky ny fitiavana. Io fitiavana io koa no heverina fa nanosika hikatsaka toa an'i depiote Lova Fiarovana, Pisal Hamida, Briand Andrianirina sy José Andriatianarivelo ary Jonarivony. Tsy ho lany daholo koa anefa ireo satria misy tsy miray lisitra toa ny fanao mahazatra. Aty ambadika mantsy dia mba miady ny ahalany ireo olony koa ireo kandida nirotsaka hofidiana ho filoha. Ary maika mihasarotra ny raharaha.
Clément RABARY
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT