Sport

Komity hamerina ny hasin’ny baolina kitra “Manana herijika hiatrehana CAN 2023 isika”


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2022

Tsara ny vokatra azon’ny Barea zokiny na Senior nandritry ny fanomanan-tena tao anatin’ilay lalao iraisampirenena tany Maraoka hoe “Maroc,

capital de football africain” farany teo, hoy ny avy eo anivon’ny komity hamerina ny hasin’ny baolina kitra na K2HB. Izay ilay noresahanay foana hoe ny fanomanana no tokony atao misimisy kokoa mialohan’ny fiatrehana ny fifanintsanan’ny tompondakan’i Afrika na CAN 2023, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Igniace Randrianirina na Ramasy. Nihaino aloha izany ny teo anivon’ny federasionina ary nisy azo heritreretina sy tsapain-tanana tsara izany ny mikasika ny CAN 2023. Manana herijika hiatrehana ny CAN 2023 isika. Matoky aho fa ho tafita isika, raha ny zava-misy izao aloha no jerena. Ny baolina kitra tsy matematika. Lalao miisa 3 no mbola hananantsika ka raha vokatra tsara foana no azo amin’ireo dia azo heritreretina ny haha tafakatra antsika indray. Ny fifankazaran’ny mpilalao ihany no mila hatsaraina, indrindra, eny ambony kianja hita efa mety izy io. Miha tanora ihany koa ny mpilalao na dia mbola misy zokinjokiny tafajanona aza. Ampy antsika ihany koa raha ireny lalao ara-pirahalahiana vita ireny, hoy hatrany ny Komity hamerina ny hasin’ny baolina kitra.

J. Mirija

Legende: Ny filohan’ny K2HB

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT