Sport

Koloina Razafindranaivo na Rakool Tsy mahafaly ny mpanohana ny MC Alger


  • Talata 11 Aprily 2023

Lalao nandrasan'ny maro tao Alzeria ny lalao ny zoma alina teo izay nihaonan'ny MC Alger misy an'i Koloina Razafindranaivo na Rakool sy ny CS Constantine,

izay ekipa samy sangany ao an-toerana eo amin’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja baolina kitra. Niverina tompon-toerana indray i Koloina teto raha mpiandry toerana tamin'ny lalao farany. Niezaka nampiseho lalao tsara ity mpilalao malagasy ity ary anisan'ny lalao tsara nataony hatramin'ny nahatongavany tao amin'ity klioba ity, satria dia maro ny fanafihana niainga avy aminy sy ny baolina saika matiny saingy tsy nety tafiditra, indrindra, ny teo amin'ny minitra faha-53 izay daka ankavia mahafinaritra tao anaty faritra tsy azo ivalozana na "surface de réparation" saingy mbola voadonan'ny mpiandry tsato-by, hoy ny fampitam-baovao. Nisaraka ady sahala tsy nisy nitoko ny lalao na dia nanindry aza ny MC Alger. Na dia teo aza nefa ny ezaka nataon'i Koloina izay hita fa manomboka tafiditra dia tsy mahafaly ny mpanohana ity klioba ity izay masiaka tokoa satria dia manomboka mahazo kiana tahaka ireo mpilalao hafa ao amin'ity klioba ity koa ny lehilahy noho izy izay tsy mety mahatafiditra baolina izay tena andrasan'ny maro aminy. Ankoatra ny kiana ataon'ireo vahiny moa dia mahazo kiana avy amin'ny mpiray tanindrazana aminy sasany koa ny lehilahy. Fomban-javatra nefa izany ary lalana tsy maintsy diavin'ny mpilalao, eny fa na ry Messi izay heverina fa anisan'ny mahay indrindra aza dia mandalo fotoan-tsarotra sy mahazo kiana amin'izao fotoana izao. Noho izany tsy tokony hahakivy fa atao hampiezaka sy handrosoana hatrany, hoy kosa ny fampirisihan’ireo mpankafy an’i Rakool.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT