Sport

Koloina Razafindranaivo na Rakool Ny 14 febroary no hanomboka fiainana vaovao


  • Zoma 10 Febroary 2023

Ny 14 febroary izao no higadona ao amin’ny seranam-piaramanidina iraisampirenen’i Hawari Boumediin, ao Alger, Alzeria,

Solomampionona Koloina Razafindranaivo na Rakool. Hanomboka fifaninanana vaovao eo amin’ny taranja baolina kitra ity irakiraka mpanafika malagasy vao 22 taona monja ity, araka izany, aorian’io rehefa niaina ny fifaninanana matihanina teto an-toerana niaraka tamin’ny CFFA Andoharanofotsy tao anatin’ny Orange Pro League teto Madagasikara. Ny klioba divizionina voalohany Alzerianina, Mouloudia Club ao Alger, indray moa no hiarahany mandritry ny 3 taona sy tapany manomboka izao, raha tsiahivina. Efa nahazo ny fahazoan-dalana na “visa” ahafahany monina sy milalao any an-toerana ity kintan’ny kitra malagasy ity ary dia hisalotra tsy ho ela ny loko maitso sy mena, hoy ny fampitam-baovaon’ity klioba vaovaony ity, izay hita ho nirehareha ny aminy fatratra ery.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT