Koloina Razafindranaivo na Rakool

Namono ny baolina voalohany ho azy


  • Talata 19 Desambra 2023

Namono ny baolina voalohany ho azy niaraka tamin’ny klioba ilalaovany vaovao ao anatin’ny

tompondaka rejionaly frantsay na R1 i Rakool ny faran’ny herinandro teo. Na dia resy tamin’ny isa 2 noho 3 aza ny AC Arlesien, izay ekipa misy ity lohalaharanairakiraka malagasy ity, nanoloana ny Carnoux FC, nandritry ny tompondakan’i Mediteranée tao amin’ny kianja Maurice Jauffret, dia mbola mijanona ho laharana faharoa ao amin’ny sokajy na “poule” misy azy ity ekipa misy an’i Koloina Razafindranaivo na Rakool ity. 23 taona ankehitriny i Rakool. Irariana fa taorian’ny tsy fahombiazana nihatra taminy tatsy amin’ny Mouloudia FC, divizionina voalohany alzerianina, dia hitondra aingavao sy fivoarana ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany ho an’i Rakool ity klioba mifaninana amina tompondaka frantsay ity na dia rejionaly toy ny atsy La Reunion ihany aza satria heverina fa mifanakaikaiky ihany koa amin’ny lentan’ny kitra amin’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara toy ny atsy Maorisy sy Seisely.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT