Sport

Koloina Razafindranaivo na « Rakool » Handray 37.600.000 Ariary isam-bolana


  • Alatsinainy 06 Febroary 2023

Mitentina 96.000 Euro isan-taona na 8000 Euro isam-bolana ny karama ho raisin’i Koloina Razafindranaivo na « Rakool »,

raha ny fampitam-baovao voaray ny faran’ny herinandro teo. Izany hoe raha atao ny kajikajy tsotsotra manoloana ny fivoaran’ny sandan’ny vola malagasy na Ariary ankehitriny dia handray manodidina ny 37.600.000 Ariary isam-bolana izany ity lohalaharan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea milalao atsy amin’ny Mouloudia Club atsy Alger, Alzeria ity. Raha tombonana ho manodidina ny 4700 Ariary eo izany izao ny vola eoropeanina dia ny euro. 1.253.333 Ariary isan’andro eo izany no karaman-dRakool. 52.222 Ariary isan’ora. 870 Ariary isa-minitra. Azo lazaina ho risika ho an’ireo zandrikely maniry hoavy tsaratsara eto amin’ny tanana izany ary ny hirariana dia ny hoe mba hisiana klioba malagasy hahavita manome sanda toy izany ho an’ireo boay kely miezaka eto koa atsy ho atsy. Maninona tokoa moa ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT