Sport

Klioban’ny Elgeco Plus Nanolotra fitaovana ho an’ny CUA


  • Talata 20 Novambra 2018

Manome sehatra ny tontolon’ny fanatanjahantena ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nitohy hatrany fiaraha-miasa amin’ ny Klioba Elgeco Plus, izay tompon’ny amboaran’i Madagasikara na “Coupe de Madagasikara” sy ny CUA.

 

 

 

 Omaly alatsinainy 19 novambra 2018 dia nanolotra fitaovana hoenti-miasa hanatsarana ny kianjan’i Mahamasina ny Elgeco Plus toy: ny Tuyau, cracheur na bouche d’arrosage na fitaovam-panondrahana, miampy ny fanamboarana sy fanatsarana ny trano fisoloana akanjo ho an’ny mpilalao, ny fanolorana fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ny ekipan’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia ny Uscafoot. Noho izany fiaraha-miasa izany dia nanolotra ny Kianjan’i Mahamasina ny tanànan’Antananarivo hoentin’izy ireo manohy ny fanazarantena sy ny fandraisana ny lalao fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny isan-tarika na Coupe d’ Afrique, izay hifanaovan’ny ekipan’ny Elgeco Plus sy ny ekipa Guineanina Deportivo Unidad, hatao ny alarobia 28 novambra 2018 ho avy izao. Ireo fitaovana ireo dia natolotry ny filohan’ny ELGECO Plus ho an’ny tanànan’Aantananarivo, izay nosoloin’ny tale misahana ny fiainam-piarahamonina sy ny kolontsaina (DCVC), Andriamisa Ramihone Patrick Angelo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT