Sport

Klioban’ny Cospn Analamanga Mbola nahazo 10.000.000 ariary hafa indray


  • Alakamisy 20 Desambra 2018

Rehefa avy notoloran’ny ministeran’ny filaminana anatiny taratasim-bola nitentina 10.000.000 ariary sy omby roa ary taratasy marim-pankasitrahana sy fitsangantsanganana mankany Nosy be Hell Ville, niampy taratasim-bola nitentina 3.000.000 ariary

 

 avy amin’ny FMBB ihany koa, ireo mpilalaon’ny Cospn basket ball Analamanga ny zoma 14 desambra 2018 teo teny amin’ny FIP Antanimora dia mbola notoloran’ny filoham-pirenena mpisolo toerana, Rivo Rakotovao, taratasim-bola mitentina 10.000.000 ariary hafa indray teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha tamin’ny talata 18 desambra 2018 teo. Marihana fa vao avy vao avy nandrombaka ny amboaran’ny CCOI basket 2018 tany Seychelles tamin’ny herinandro lasa teo ity ekipa ity ary hisolontena ny Faritra faha-7 amin’ny Afroligue 2018. Mbola ho raisin’ny filoha Rivo Rakotovao, eny Iavoloha, miaraka amin’ireo taranja nahazo amboaran’ny CCOI 2018 indray anio ireto mpilalaon’ny Cospn Analamanga ireto.

Ntsoavina Evariste

 

                                                                                                       

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT