Sport

Klioba Tana Shooters Basket-ball Niatrika ny fambolen-kazo andiany faha-4


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Toy ny isan-taona dia teny Sambaina RN 2 no nanatanterahan’ny fianakaviamben’ny klioba Tana Shooters Basket ball (mpilalao sy ray aman-dreny niisa 150) ny fambolen-kazo andiany faha-4 fanaony.

 

 

Zanakazo (Olivier sy Acacia) nahatratra 600 isa. Fanabeazana an’ireo mpilalao hiaro sy hikolo ny tontolo iainana no tanjon’izany fambolen-kazo natao izany, hoy Andriamahenina Patrick “Coco” filohan’ity Tana Shooters Basket-ball ity, ka ny fiaraha-miasa tamin’ny kaominin’i Sambaina Manjakandriana no nahatontosa izany.  Taorian’io fambolen-kazo natao io dia nisy ny  lalao basikety niharahan’ny mpilalao amin’ity klioba ity sy ny ankizy tao amin’ny kaominin’i Sambaina nanatontosa sy fizarana loka hoan’ireo mpilalao afaka fanadinanana Cepe sy Bepc ary Bacc tamin’iny taona 2019 lasa iny ary koa fiarahan’ny rehetra nisakafo (fizarana ara-bakiteny ny nofon-kena mitam-pihavanana) ary nofaranana tamin’ny fiarahana naka sary fahatsiarovana.

Marihana fa mahatratra 250 isa ireo mpilalao lahy sy vavy manana licence ao amin’ny Tana Shooters Basket-ball ka ao amin’ny sokajy U 12,U14, U16, U18 ka tamin’iny taom-pilalaovana 2019 iny dia sokajy 1 tafakatra teo amin’ny lalao manasa-dalana, sokajy 3 be tafakatra teo amin’ny dingan’ny lalao 1/4-dalana ary sokajy 1 hafa nahazo ny laharana faha-5 tamin’ny fifaninana natrehany. Mbola miandry ny tohin’ny fifaninanana2019  kosa ny eo amin’ny sokajy U 12. Ny tanjon’ny klioba amin’ity taom-pilalaovana 2020 ity dia ny hiakaran’ny sokajy rehetra amin’ny lalao manasa-dalana avokoa.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT