Sport

Klioba Lomano St Michel Nahatontosa ny « Vive l’Avenir » andiany faha-8


  • Alakamisy 12 Aprily 2018

Toy ny fanaon’izy ireo isan-taona dia nanatanteraka ny hetsika lomano « Vive l’Avenir » andiany faha-8 tetsy amin’ny dobo filomosana ANS Ampefiloha nandritra ny roa andro, ny sabotsy 7 sy alahady 8 aprily 2018 lasa teo ny klioba Lomano St Michel Analamanga.

 

Ny tanjona,  hoy Atoa Rabary Hary Jaona filohan’ity kliobana lomano ity, dia ny hampisongadinana an’ireo kalaza eo amin’ity taranja ity ankehitriny eto amintsika. Nahafa-po ny mpikarakara hetsika noho ny fahavitrihan’ireo mpilomano  niisa 2701 lahy sy vavy sokajy avenir 6 taona ka hatramin’ny sokajy senior avy amin’ny klioba 12 amin’ny ligy 3 dia Analamanga, Atsinanana ary Vakinankaratra no nandray anjara tamin’ny hetsika sy nahazoana nanasongadinana an’ireo lohany amin’ny isan-tsokajiny ankehitriny ary tamin’ny fanohanana nataon’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra notarihan’ny Federasiona Malagasin’ny Lomano.

Ireo nibata ny amboara :  

Sokajy Avenir zazavavy : Ramangason Andrianina Riantsoa - COSRA – Vakinankaratra.

 Sokajy Avenir zazalahy : Rabarison Tanteliniaina Jehnny- CRJS-Antsiranana.

Sokajy Poussine zazavavy : Razakatiana Finaritra-MANAGING-Analamanga.

Sokajy Poussine zazalahy : Andriampenomanana Barry Mathieu-MANAGING-Analamanga.

Sokajy  Benjamine zatovovavy : Ramangason Andrianina Irintsoa-COSRA-Vakianankaratra.

Sokajy Benjamine zatovolahy : Andriampenomanana Mihaja Nathan-MANAGING-Analamanga.

Sokajy Minime et Plus ( OPEN)  zatovovavy : Rabarijaona Tiana Henintsoa Murielle-St MICHEL CN-Analamanga.

Sokajy Minime et Plus ( OPEN)  zatovolahy : Rakotomavo Stéphan-St MICHEL CN-Analamanga.

Zava-bita tsara indrindra roa kosa no montsana tamin’ity fifaninanana ity :

Teo amin’ny 100 m Papillon sy ny 100 m Nage Libre sokajy Poussine zazalahy vitan’Andriampenomanana Barry Mathieu-MANAGING.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT