Sport

Klioba Lion Force Kick Boxing Miditra amin’ny faha-8 taonany amin’ity 2018 ity


  • Alatsinainy 13 Aogositra 2018

Miditra eo amin’ny faha-8 taona niorenan’ny ny kliobana Kick Boxing Lion Force.

 

 Nisy ny valandresaka hoan’ny mpanao gazety notontosain’ny mpitarika an’ity klioba ity tetsy Mahamasina ny sabotsy teo ka nanamarihan’i Me Boto Gilbert nanorina azy fa somary nisedra olana ihany ity klioba ity tany am-piandohana fa teny an’elakelan-trano rehetra teny no mba nanao fanazaran-tena. Valo taona aty aoriana anefa dia nody ventiny ny rano natsakaina fa nahazo ny anaram-boninahitra tompondaka eran-tany ny mpikatroka ao aminy sady nitondra “Ceinture” nody nifandraika tamin’izany avy dia i Pierre Voary sy Mahery Rakotoniaina rehefa samy nandresy avy an’i Saindou Hirachidine (Mayotte) sy Raphael Musa (Tanzanie) tamin’ny “Combat Pro style WKN Océan Indien” notanterahina tao amin’ny Gymase de Labattoire any Mayotte tamin’ny faha-27 jolay 2018 lasa teo. Fampitam-baovao faharoa nentin’ny Lion Force tetsy Mahamasina ny fampisehoana azy mirahalahy ireo sy ny voandalana nentiny. Fampitam-baovao faha-3 kosa ny filazana fa manomboka izao dia manana filoha vaovao hitantana azy ny klioban’ny Lion Force kick Boxing dia Atoa Naina Rahiraka izay nanambara tetsy Mahamasina fa manana vina ny hanampy an’ireo atleta nitondra avo ny fanevam-pirenena sy ireo tena vonona hanandratra ny kick boxing ary dia nampiany voalohany indrindra tamin’io andro sabotsy 11 aogositra io ka notolorana kit ahitana “sacoche, gang, prothèse dent ary “prime” ihany koa” izy roalahy tompondaka eran-tany. Nilaza koa Atoa Naina Rahiraka fa hanao vaindohan-draharaha ny fikarakarana “Promotion de combat” eto amintsika ka amin’ny volana desambra izao no hetsika voalohany ho karakarain’ny Lion Force amin’izany.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT