Sport

Kitra vehivavy Tournoi National U 16 Norombahin’ny Maitso Volo ny Amboara


  • Alatsinainy 22 Oktobra 2018

Nifarana ny sabotsy 20 oktobra 2018 teo teny Carion ny kitra vehivavy Tournoi U16 tafiditra tao anatin’ny fanamarihana niaraka tamin’ny Unicef ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Ankizy vavy 2018.

Nibata ny Amboara sy medaly volamena tamin’izany ny ekipa zatovovavin’i Maitso Volo avy any Matsiatra Ambony nandresy ny Fc Prescoi Vakinankaratra (medaly volafotsy) 2-0 teo amin’ny lalao famaranana. Tsy afa-bela raha ny marina ny Prescoi izay efa resin’ny Maitso Volo 4-0 tany amin’ny fifaninanam-bondrona. Ny ekipan’i Sab Nam no nitana ny laharana faha-3 ka notolorana ny medaly alimo. Mbola mpilalaon’ny Maitso Volo 2 no nahazo ny amboaran’ny mpiandry harato mendrika indrindra sy mpamono baolina be indrindra niisa 5 tamin’ny fifaninanana dia i Fenohasina Anah sy Tahirijanahary Daniella raha ny kapitenin’ny Prescoi, Mbolaniaina Franca Alice, kosa no voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT