Sport

Kitra vehivavy DEFF 3 2018 Lavon’ny Askam Itasy 7-1 ny Prescoi Livak


  • Talata 07 Mey 2019

Ny filoha lefitry ny Comité de normalisation Fmf Malagasy, Benony Jacques, no nanokatra ofisialy ny fifaninanana baolina kitra vehivavy “Division Elite”

 

 

 

fiadiana ny ho tompondaka 2018 dingana faha-3 teny amin’ny kianjan’i Carion, omaly alatsinainy 06 mey 2019.  Nasongadina taorian’ny filaharana nataon’ireo ekipa 8 mandray anjara ny tokony hampisehoan’izy ireo ny “Fair Play” mandritra ny fifaninanana manontolo ka nilazany fa hanolotra amboara manokana ho an’izay ekipa mendrika amin’izany  “Fair Play” izany ny “Comité de normalisation” amin’ny fiafaran’ny fifaninanana.

Nandritra ny andro voalohany notontosaina omaly alatsinainy 06 mey 2019 dia ny ekipan’ny Assot Analamanga no nibata ny fandresena voalohany rehefa nandresy ny As Comato Atsimo Andrefana 3-1. Nisongadina indrindra kosa ny nanamontsanan’ny Askam Itasy 7-1 ny Prescoi Vakinankaratra teo amin’ny lalao faha-3. Ny Mifa Analamanga kosa nandresy ny Ascuf Matsiatra Ambony 2-0 teo amin’ny lalao faha-2 ary ny Ac Sab Nam Analamanga nandresy ny Som Boeny 3-0 teo amin’ny lalao faha-4.

 

Ntsoavina Evariste

                

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT