Sport

Kitra Vakinankaratra Niova ny mpitantana


  • Alatsinainy 18 Desambra 2017

Nizotra tam-pilaminana ny fifidianana filohan’ny Ligy ho an’ny taranja baolina kitra tany Vakinankaratra ka Atoa Andriantomponera Fidinirina indray no voafidy ho filoha, nandimby an'Atoa Rakotoasimbola José,

izay nitantana izany nandritra ny fotoam-piasana roa nisesy no sady efa sekretera jeneralin'ny Ligy ihany tany aloha. Kandida niisa 5 moa no nilatsaka ho fidiana ary ireo seksiona 7 no nisafidy tamin'izany ka lany tamin'ny vato 5 tamin'ireo mpifidy 7, ka nahalany ny kandidà Andriantomponera  Fidinirana, izay efa nitantana ny klioba FCV teo aloha. Ny fanarenana avy hatrany ny kitra sy hemerina ny lazan'izany no fanambiny ary fiaraha-miasa bebe kokoa amin'ireo seksiona ireo. Nambarany fa manana ny toerany eto Madagasikara i Vakinankaratra saingy tsy tazana intsony izany tao ao. Isan’ny fantatra ihany koa fa tsy maintsy manana tani-ketsa ireo klioba rehetra miatrka ny diviziona voalohany atsy ho atsy rah any fanazavany ihany. Efa voafidy ihany koa moa ireo mpiara-miasa aminy, izay saika efa mpikambana tao ihany no ankamaroany, saingy mbola tsy voarafitra ny andraikitry ny tsirairay.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT