Sport

Kitra – Urban Futsal Fitiliana ireo ho kintan’ny kitra atsy ho atsy


  • Zoma 12 Jona 2015

Hotanterahina ny sabotsy 27 jona izao ilay fifaninanana santatra fitiliana ireo mpilalao katitakely mendrika eny amin’ny Urban Futsal Andraharo. Tompomarika amin’izy io moa ny ligin’Analamanga sy ny rafitra teknika nasionalin’ny federasiona.

 

 Tanjona ny fanatsarana ny kalitaon’ny fahaizan’ireo mpilalao sokajy zandriny izay hoavin’ny taranja any aoriana kely. Hiseho amin’ny endrika maro ny fitsapana izay mahakasika ireo teknika fototra avokoa sady ankoatra izay dia entina hanehoana ny fomba fampianarana ireo katitakely eo imason’ireo mpanabe mpitarika klioba eto Analamanga ihany koa. Misokatra ho an’ireo zazalahy sy zazavavy avy amin’ireo klioba eto Analamanga ny fifaninanana ho an’ireo sokajin-taona teraka ny 2002-2003 sy ny 2004-2005. Afaka mandahatra mpilalao roa lahy sy roa vavy avy ireo klioba tsirairay eto Analamanga. Hisy koa ny loka ho an’ireo mpilalao mendrika.


Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT