Sport

Kitra – Tournoi des Champions Lasan’ny EPN sy All Stars ny tapakila mankany Mahajanga


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2015

Ny ekipan’ny EPN Ivandry ho an’ny sokajy U15 ary ny All Stars ho an’ny U13 no nandrombaka ny amboaran’ilay fifaninanana “Tournoi des Champions”

 nokarakarain’ny Soanaivo Academy efa nanomboka ny 10 aogositra teo. Ireo ekipa folo avy isaky ny sokajy moa no niatrika ny dingan’ny famaranana teny amin’ny Futsal Andraharo ny faran’ny herinandro teo ka mbola fifanintsanam-bondrona no natao ny sabotsy ary ny ampahefa-dalana hatramin’ny famaranana ny alahady. Lavon’ny EPN tamin’ny famaranan’ny U15 ny FAV’S efa tany amin’ny “tirs au but” tamin’ny isa 3-2 raha mbola sahala 1-1 ny vokatra hatreo amin’ny 20 minitra fe-potoana ara-dalàna. Ny FC Varatra kosa no resin’ny All Stars tamin’ny isa 4-2 tamin’ny famaranan’ny sokajy U13. Samy notolorana amboara sy medaly avokoa moa ireo ekipa rehetra tonga hatreo amin’ny manasa-dalana. Tombondahiny ho an’ireo ekipa tompondakan’ireo sokajy U13 sy U15 kosa ny fandehanana miala sasatra sy miofana any Mahajanga mandritra ny herinandro, ny 30 aogositra hatramin’ny 6 septambra. Tanjon’ny Soanaivo Academy amin’ity hetsika santatra ity moa ny fitiliana ireo mpilalao zandriny handrafitra ny akademia vaovao hamokarana mpilalao sy ekipa sangany atsy ho atsy. Efa nisy moa ny fitiliana sy fifantenana nandritra ny fifaninanana andiany voalohany ity ka aorian’ny fialantsasatra sy fiofanana any mahajanga dia mbola hisy ny sivana hamoahana ireo mpilalao tena mendrika hiofana ao amin’ny akademia.

Rasanda Serge


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT