Sport

Kitra – Tournoi des Champions Hitiliana ireo hiofana ao amin’ny Soanay Football Academy


  • Alakamisy 13 Aogositra 2015

Mampihaiky fa tena misy talenta mandehandeha any anelakelantrano any. Tsikaritra izany mandritra ilay fifaninanana kitra lalaovin’olona fito «Tournoi des champions» ho an’ny sokajy U13 sy U15

 

zazalahy karakarain’ny Soanay Football Academy. Ny 10-14 aogositra ny fifanintsanana etsy amin’ny kianjan’Alarobia ary ny 22-23 ny dingan’ny famaranana eny amin’ny Futsal Andraharo. Ekipa 42 no mandray anjara ho an’ny U15 ary 27 kosa ny U13 ary mahatratra maherin’ny 800 ireo ankizy voakasiky ny fifaninanana.

“Tanjona ny fitiliana ireo talenta any anelakelantrano rehetra any ka entina hamoahana ireo tena mendrika hampidirina hiofana ao amin’ny Soanay Academy” hoy Rasoanaivo Rado mpikarakara. Mikasika ny fifaninanana dia ireo ekipa folo voalohany avy no hanao ny dingan’ny famaranana. Efa manomboka amin’izao fifanintsanana izao kosa ny fitiliana. Halefa hialasasatra sy hiofana herinandro any Mahajanga moa ireo ekipa tompondaka amin’ireo sokajy roa ireo.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT