Sport

Kitra – Tournoi des Champions Fifaninanana ho an’ireo sokajy U13 sy U15


  • Sabotsy 08 Aogositra 2015

Hiakarakara fifaninanana baolina kitra lalaovin’olona fito ho an’ireo sokajy zandriny antsoina hoe : «Tournoi des champions» amin’ity volana aogositra ity ny Soanaivo Foot-ball Academy.

Ny sokajy zazalahy U13 sy U15 no voakasik’ity fifaninanana ity. Hatao eny amin’ny kianjan’Alarobia no hanaovana ny dingan’ny fifanintsanana ny 10-14 aogositra. Ny 22-23 aogositra kosa no hanatanterahana ny dingana famaranana eny amin’ny toeram-pilalaovana Futsal eny Andraharo. Eny amin’ny Accord Knits ampitan’ny Futsal Galaxy Andraharo no ahafahana manao ny fisoratana anarana. Fialantsasatra arahina fiofanana any Mahajanga no loka ho an’izay ekipa mpandresy amin’ity fifaninanana ity.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT