Sport

Kitra – Tournoi des Champions Ekipa 20 hiady tapakila roa mankany Mahajanga


  • Sabotsy 22 Aogositra 2015

Hotanterahina anio sabotsy sy rahampitso alahady eny amin’ny Futsal Andraharo ny dingan’ny famaranan’ilay “Tournoi des Champions”, fifaninanana baolina kitra ho an’ireo sokajy U13 sy U15 zazalahy izay karakarain’ny Soanaivo Foot-ball Academy.

 


 
Marihina fa efa vita ny 10-14 aogositra teo ny dingan’ny fifanintsanana teny amin’ny kianjan’Alarobia. Ireo ekipa folo mendrika isaky ny sokajy no hiatrika io dingan’ny famaranana io izay hatao eny amin’ny Futsal Andraharo. Marihina fa ireo ekipa voalohany isak’ireo vondrona valo ho an’ny U13 ary ireo roa voalohany isak’ireo vondrona efatra ho an’ny U15 miampy ny ekipa faharoa mendrika indrindra sy ny ekipa ivondronan’ireo mpilalao voafantina no hiatrika io dingan’ny famaranana io. Mbola hozaraina vondrona roa misy ekipa dimy avy ireo ekipa folo amin’ireo sokajy roa ireo ka ireo roa voalohany indray no mbola hiady ny manasa-dalana mialoha ny famaranana. Izay ekipa tompondaka isaky ny sokajy eo moa dia halefa hialasasatra any Mahajanga sady harahina fiofanana mandritra ny herinandro. Aorian’izay kosa dia mbola hanaraka fitsapana sivana ireo mpilalao voafantina isan-tsokajiny hakana ireo andiany voalohany hiofana ao amin’ny Soanaivo Foot-ball Academy.



Ireo ekipa tafita :
Sokajy U13 : FC Bayern, All Stars, FC mamamba, FCF 2AI, RCT, EF Joachim I, TM Christi, Varatra, Honorable FC, ekipa voafantina
Sokajy U15 : EF Joachim, Red Stars, Fav’s FC, Vila Real, FC Mandrangobato, AS Roro, FC Releve, EPN Ivandry, FC King, ekipa voafantina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT