Kitra-Tournoi Dandjy

3FA Hanomboka ny 3 septambra ao Mahajanga


  • Sabotsy 01 Septambra 2018

Hotontosaina any amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga ny 3 ka hatramin’ny zoma 7 septambra 2018 ny andiany faha-8 amin’ny « Tournoi Dandjy/3FA » natokana ho an’ny sokajy U10, U13, U15, U17, U20 ary ny sokajy vehivavy.

 

 

Faritra efatra no efa fantatra hatramin’izao fa hanana solontena handray anjara amin’izany dia Analamanga, Boeny, Sofia ary Betsiboka. Samy hiantoka saran-dalana mandroso sy miverina, sakafo, assurance sy kidoro hatoriany avy ireo ekipa hivahiny any Mahajanga amin’izany fa ny trano hivantanana kosa no hiantohan’ny Club Dandjy. Nambaran-dRakotonirina Philibert mpitantana ny 3Fa Avaradrano fa vao vita io “Tournoi de Vacances Dandjy/3Fa” any Mahajanga io dia efa hanomana indray ny “Tournoi de Noël 2018” sy ny “Tournoi de Pâques 2019” hotontosaina eto Antananarivo ry zareo.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT