Sport

Kitra - « Tounoi de vacances » Nifarana ny fifaninanana tany Alakamisy Tsarazaza


  • Sabotsy 08 Septambra 2018

Manatontosa lalao baolina kitra “Tounoi de vacances” miaraka amin’ny fikambanana Mampiray sy ny fikambanana Orimbaton’i Madagasikara ry zareo any amin’ny distrikan’i Fandriana Faritra Amoron’i Mania.

 

Efa elaela ihany izay no nanombohan’ny fifanintsanana manerana an’ity distrika ity. Tanjona ny fitaizana ny tanora. Nifarana ny alahady 2 septambra 2018 teo, ohatra, ny fifanintsanana tany amin’ny zana-paritra Alakamisy Kaominina Tsarazaza ka nanolorana fankasitrahana toy ny “maillots” sy baolina an’ireo tafakatra hiatrika ny lalao any amin’ny renivohitry ny kaominina afaka fotoana fohy. Ondry mifahy sy fitaovana ara-panatanjahantena hafa kosa no hatolotra any amin’io dingan’ny fifaninanana io. Noho ireo fangatahana dia nanome toky Rtoa Dina Rakotomalala mpikarakara tanora any amin’ity distrika ity fa hanajary sy hikarakara miaraka amin’ny tanora any an-toerana ireo kianja filalaovana rehetra ao amin’ny kaominina Tsarazaza.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT