Sport

Kitra – Tompondakan’i Madagasikara Mizotra mankany amin’ny “Poule des as” ny Cnaps sy IFC


  • Alakamisy 17 Septambra 2015

Mivoitra tsikelikely ireo ekipa haazo ny tapakilan’ny “Poule des as” taorian’ny andro fah-4 amin’ny fihodinana faharoan’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara natao omaly

 

. Tany mahajanga ny Cnaps sport Itasy dia nandrey mazava an’ny Ascum Boeny tao an-tokotaniny tamin’ny isa 4-0. Tsy nisasaka akory ny fizaram-potoana voalohany dia nahatafiditra baolina telo ny ekipan’Ampatsakana. Nanokatra ny isa i Niasexe (8’) niampy ny pao-droan’i Olivier (10’, 19’). Nahatafditra ny baolina fahatelo kosa i Haja (86’). Nahery vaika ity fihaonana ity satria niraradraraka ireo karatra. Nahazo karatra mavo in-droa nisesy i Jean Noel mpilalaon’ny Ascum ary navoakan’ny mpitsara (21’, 34’) ka nilalao folo ity ekipan’ny kaominin’i Mahajanga ity nanomboka teo. Mpilalaony roa hafa avy eo mbola samy nahazo karatra mavo dia i Stefano (37’) sy Justin (40’). Nisy mpilalao telo koa anefa ho an’ny Cnaps no nahazo karatra mavo taorian’io dia i Andy (49’), Niasexe (53’) ary i Njiva (69’). Tany Mahajanga ihany ny IFC Analamanga nanamontsana an’ny FC Cousin Amoron’Imania tamin’ny isa 5-0. Tompomarika tamin’ireo baolin’ny IFC i Freddy (38’, 47’), Nocé (56’, 89’) ary i Tsiory (86’). Nirava sahala 2-2 kosa ny AS Comato Ihorombe sy ny FC Prescoi Matsiatra ambony. Mitarika voalohany vonjimaika izao ny Cnaps sport manana isa 7 ary fah-2 ny IFC manana isa mitovy amin’io ihany. Efa mizotra mankany amin’ny “Poules des as” araka izany ireo tarika roa voalohany ireo. Nirava ady sahala daholo kosa ireo lalao telo tany Toamasina, Voatazon’ny FC Joel Sava tamin’ny isa 1-1 ny Tana FC Analamanga ary toy izay koa vokatry ny fihaonan’ny FCE Atsinanana sy 3FB Toliara. Nirava tsy nisy nitoko kosa ny lalaon’ny Ajesaia Bongolava sy HZAM 3FB Alaotra mangoro. Mitarika lah-1 vojimaika mitovy samy manana isa 5 avy izao ny FC Joel st ny HZAM 3FB.

Rasanda Serge

 

Filaharana

Mahajanga

1-Cnaps sport Itasy   (7, +8)

2-IFC Analamanga (7, +6)

3-AS Comato Ihorombe (4, +2)

4-ASCUM Boeny (4, 0)

5-FC Prescoi Matsiatra ambony (2, -4)

6-FC Cousin Amoron ‘Imania (0, -12)

Toamasina

1-FC Joel Sava (5, +1)

2-HZAM 3FB Alaotra mangoro (5, +1)

3-Ajesaia Bonbolava (4, 0)

4-Tana Fc Analamanga (4, 0)

5-FCE Atsinanana (2, -1)

6-3FB Toliara (2,-1)

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT