Sport

Kitra – Tompondakan’i Madagasikara Anaramboninahitra fanin’efany ho an’ny Cnaps sport


  • Alatsinainy 09 Novambra 2015

Nandrombaka fanin’efany ny anaramboninahitra tompondakan’i Madagasikara ny Cnaps sport Itasy (2010, 2012, 2014, 2015)

. Nifarana tanteraka ny sabotsy teo amin’ny andro fah-3 faran’ny “Poule des as » tetsy Mahamasina moa ity fifaninanana nasionaly ity. Mbola nisalotra fandresena fan-3 ny sabotsy teo ny ekipan’Ampatsakana nanoloana an’ny 3FB Atsimo Andrefana, tamin’ny isa 2-1, na dia efa fitaintainana be ihany aza vao tafavoaka nandresy ny ekipan’i Hery be mpanazatra. Mbola ny ekipan’i Toliara mantsy no nanokatra ny isa tamin’ny alalan’i Mamy (15’) ary io isa io no nentina niala sasatra. Efa taty amin’ny fidirana fah-2 ny Cnaps sport vao nanasahala ny isa sy tafavoaka nandresy tamin’ny alalan’ny pao-droa nataon’i Rinjala (60’, 74’). Nirava sahala 1-1 kosa ny fihaonana teo amin’ny Iarivo FC Analamanga sy Ajesaia Bongolava.

« Tanjon’ny 3FB ny hanohatra ny Cnaps, ny anay anefa ireo mpilalao ao amin’ny ekipa nasionaly efa betsaka no nalefa ary ireo mpilalao tsy ampy fifaninanana no nampilalaovina. Ankoatra izay, efa tompondaka alohan’ny fotoana izahay ka somary efa ambanimbany ny fahavitrihan’ireo mpilalao », hoy i Hery be mpanazatra. Vita iny fa ny manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara hifanandrinan’ny Cnaps amin’ny Tana FC indray no hobanjinin’ity klioba ity izao.

Voafidy ho mpilalao mendrika moa Randrianasolo Jean Dieu Donne (Leda) mpiandry haraton’ny Cnaps sport izay notolorana 5 hetsy ariary. Rabearisoa Herimanitra David (Hery be) no mpanazatra mendrika ary nahazo 3 hetsy ariary. Mpampidi-baolina be indrindra i Elvi Brunat Barintsoa (FC Prescoi Matsiatra Ambony) izay nahafaty baolina 11 nandritra ny fifaninanana manontolo ary notolorana fankasitrahana 8 hetsy ariary.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT