Sport

Kitra- tompondakan’i Afrika Tsy mbola fantatra izay hifanandrina amin’ny Cnaps Sport


  • Alarobia 02 Martsa 2016

Tsy mbola fantatra hatramin’izao ny ekipa hifanandrina amin’ny Cnaps Sport amin’ny ampahenina ambin’ny folon-dalan’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipa tompondaka.

Raha araka ny fandaharam-potoanan’ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra mantsy dia ny 11 na 12 na 13 martsa ho avy izao no tokony hanaovana io  lalao io. Tsy mbola fantatra anefa  na ny ekipan’i Wydad kazablanka avy any Maraoka na ny Us Douanes avy any Niamey, Niger no hifanandrina amin’ny Cnaps Sport. Tsy mbola fantatra ihany koa na ny daty  na ny toerana hanaovana ny  lalao mandroso sy ny miverina izay handray voalohany. Nitokona  tsy niasa mantsy ny mpiasan’ny fadintseranam-piaramanidina tany Niamey tamin’ny fotoana tokony hivahinianan’ny klioban’ny Wydad Kasablanka  tany an-toerana  hanaovana ny lalao miverina ka tsy afaka nihazo  an’i Niamey ireto mpilalao marokanina ireto. Nanomboka teo dia nikorontana tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny kaonfederasionina afrikanina izay tsy maintsy hametraka daty hafa sy ny toerana hanaovana ity lalao miverin’ny savaranonandon’ny Us Douanes Niamey sy Wydad Kazablanka ity. Ho an’ny Cnaps Sport dia ilaina hatrany ny miomana na ho any Niger na ho any Maraoka. Tsiahivina fa nandritra ny lalao mandroso natao tany Kazablanka dia  efa nandresy tamin’ny isa 2-0 ny Wydad.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT