Sport

Kitra – Tompondakan’i Afrika Resy tao anaty savorovoro ny Ajesaia


  • Alatsinainy 01 Martsa 2010

Sambany indray feno i Mahamasina saingy nosembanin-drahona nahitana savorovoro ny lalao miverina nihaonan’ny Ajesaia tamin’ny USS Tamponnaise tafiditra amin’ny lalao savaranonandon’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika andiany faha-14.

 

Lavon-dry zareo Renioney tamin’ny isa 3-1 ny ekipan’i Taninkatsaka omaly. Vao nanomboka valo minitra ny lalao dia efa nahafaty ny baolina voalohany ny vahiny, daka an-jorony nofaranan’i Boulard nailika mora tany anaty harato. Tsy ela dia nanasahala ny isa ny Ajesaia rehefa namotsotra baolina ilay mpiandry harato renioney ary notsoriahan’i Voavy Kassah nampidirina ny baolina (15’). Io isa 1-1 io no nisarahana teo am-pialan-tsasatra. Nanindry tokoa ry Bolida sy ry Tsiry ary nanana fanafihana nipetrapetraka maro fa mbola ny vahiny ihany anefa no nampiditra baolina faharoa tamin’ny alalan’i Diallo (65’). Teo no nanomboka ny toraka tavoahangy plastika sy labiera rehefa tsy faly tamin’ny fanapahan-kevitr’ilay mpitsara an-tsisiny ireo mpijery. Nomen’io mpitsara avy any Seychelles io ho an’ny Uss Tampon mantsy ny baolina nivoaka tokony ho an’ny Ajesaia. Naharitra minitra maromaro ny toraka sy horakoraka nataon’ireo mpijery ary voatery naato ny lalao. Nisy ny fanimbana toy ny takelaby nisy ny dokambarotry ny Orange. 45 minitra taty aoriana vao tonga ny Emmo-Reg notarihin’ny Kolonely Richard Ravalomanana nanatevina ny fitandroana ny fandriampahalemana ary folo minitra taorin’izay no naverina notohizana ny lalao izay efa tsy tao anatin’ny saina milamina intsony. Vao nandeha telo minitra anefa dia nahatafiditra baolina fahatelo ny Renioney tamin’ny alalan’i El Madaghri. Mifarana hatreo izany ny dian’ny Ajesaia amin’ity fifaninanana afrikanina ity ary azo heverina fa tsy hilatsaka ihany ny sazy fanakatonana kianja satria vita hatramin’ny farany ihany ny lalao, hoy ny kaomisera nanara-maso ny lalao.
Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT