Kitra teny Ampasamborona

Ambohidroa-Avaratetezana


  • Alatsinainy 11 Septambra 2023

Nanolotra omby, ondry, ary vola indray ny Depiote Todisoa

Nafotaka indray ny ady baolina kitra teny amin’ny ao anatin’ny Boroborintany faha-6 Ambohimanarina ny andron’ny omaly alahady 10 septambra 2023. Ny depiote Todisoa Andriamampandry no mpiahy izany, ka tahaka ny mahazatra dia nanolotra omby mifahy sy ondry ary lelavola ho an’ireo tafakatra lalao famaranana ny tenany. Tsy vitan’izay, fa tena mpandray anjara mavitrika satria dia isan’ireo mpilalao niakatra teny ambony kianja mihitsy ity solombavambahoaka ity. “Mankasitraka ireo Club nandray anjara rehetra sy ireo vahoaka maro be tonga nanotrona. Miarahaba ny Ejeda Special Anosisoa nahazo ny omby ary mankasitraka koa ny “7 Frères”-n’Antehiroka nahazo ny laharana faharoa. Ho avy tsy ho ela indray ny manaraka ho an’ny taranja rehetra e!”, hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry. Tsara ny manamarika fa vao ny 27 aogositra teo no nisy ihany koa ny lalao baolina kitra lehibe teny Ambatolampy Ambohimanarina) ka efa nisy ihany koa ny fanolorany omby, ondry, lelavola, kalisy, baolina ho an’ireo ekipa rehetra tafakatra tamin’ny dingana ambony. Manamafy hatrany ny fanohanany ireo mpitia fanatanjahantena ny depiote Todisoa Andriamampandry, ankoatra ireo asa sosialy maro samihafa ahafantarana azy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT