Kitra teny Ampasaborona Ambohidroa

Nanolotra omby matavy indray ny depiote Todisoa


  • Talata 30 Aprily 2024

Nafana indray teny amin’ny kianja Ampasaborona Ambohidroa eny Ambohimanarina ny alahady lasa teo,

nandritra ny famaranana baolina kitra lehibe. Tahaka ny mahazatra, nanamafy ny fanohanana ireo mpilalao ny Depiote Todisoa Andrimampandry, ka nisy indray ny fanolorana omby matavy sy fankasitrahana samihafa nataony nandritra ny famaranana ny sabotsy lasa teo. “Isany tanjona imasoako hatramin'izay ny mba hananantsika tanora vanona sy vonona. Omby lehibe, lelavola, ary ary amboara maro no natolotro ho famporisihana ireo tanora mba ho tia fanatanjahantena. Nandray anjara tamin'ny lalao fanokafana ity lalao famaranana baolina kitra ity ihany koa ny tenako”, hoy io depiote io. “Tsy in-dray, tsy in-droa, tsy in-telo, fa efa fahazaran’ity olom-boafidy ity ny mitondra fanohanana tahaka izao ho an’ny tanoran’Ambohimanarina, ary tsy amin’ny fanatanjahantena ihany, fa amin’ny lafiny maro, raha tsy hilaza afatsy ny fampianarana teny vahiny, koa isaoranay azy hatrany ny zava-bitany na tsy asan’ny depiote mivantana aza izany. Misaotra azy tamin’izay vitany sy ny mbola hataony, fa izahay dia manohana azy hatrany hitondra ny feonay sy tena hiady ho an’ny tombotsoam-bahoaka eny amin’ny antenimierampirenena”, hoy ireo vahoaka.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT