Sport

Kitra - Radio Fahazavana Toamasina Resin’ny Mpitandrina ireo solontenam-panjakana


  • Alatsinainy 13 Martsa 2023

Fahombiazana ny fankalazana ny faha-15 taonan' ny Radio Fahazavana ao Toamasina.

Nisy ny lalao ara-pirahalahiana baolina kitra natao tao amin’ny Stadium Barikadimy ny Sabotsy 11 Martsa nanamarihana izany. Ny Diakona nandrombaka ny fandresena 2 no ho 1 teo anatrehan'ny ekipan'ny Loholona. Nafana dia nafana koa taorian'izay ny lalao nifanandrinan’ny ekipan'ny Mpitandrina notarihin'ny prezida Synodaly sy ireo solontenam-panjakana notarihan'ny Prefen’i Toamasina Ambinintsoa Jean José. Ady sahala 1 no 1 no nisarahan’ny roa tonta tao anatin’ny fe-potoana ara-dalana ka niroso tamin’ny “tir au but”. Nivoaka ho mpandresy 3 noho 2 tamin’izany ny ekipan'ny Mpitandrina. Teny fanevan'ny fankalazana ny hoe : “Ezaho ny fiantsonao fa aza atao malemy” Isaia 58:Ia. Tamin’ny ankapobeny dia nilamina ny hetsika notantanan’ny Komity mpanomana notarihin'ny maître Rasamimaka Mahefalahy.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT