Sport

Kitra-« Poule des As » Vonona hatrany ny Elgeco Plus


  • Sabotsy 01 Septambra 2018

Anio sabotsy 01 septambra 2018 no hotontosaina etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ny lalao « Poule des As » andro faha-4

 hifanandrinan’ny Elgeco Plus Analamanga sy ny Cnaps Sport Itasy noho ity toerana ity hanatanterahana lalao rugby rahampitso alahady 02 septambra tokony hanatanterahana azy. Tsy hanao akambo amin’ireo lalao sisa hatrehana amin’ity Poules des As ity izahay, hoy Randriamanampisoa Alfred filohan’ny Elgeco Plus, satria raha mandresy hatrany izahay amin’ireo lalao  mbola hatrehana dia hanana isa 9 ary mety ho mbola hitana ny laharana voalohany amin’ity Poule des As ity sady ho fanomananay ny Telma Coupe de Madagascar 2018  koa ireo lalao ireo. Ady goavana ity fifandrinana amin’ny Cnaps Sport ity anio sabotsy, hoy izy, sady efa mampihatra ny fiaraha-mitantana  izahay ankehitriny ka tsy hitsapatsapa mpilalao intsony.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT