Sport

Kitra – Poule des As Ny Fosa Juniors no nibata fandresena voalohany


  • Alatsinainy 06 Aogositra 2018

Ny ekipan’ny Fosa Juniors Boeny no nibata fandresena voalohany tamin’ny lalao “Poule des As Champions League Malagasy 2018”. Resiny tamin’ny isa 2-1 tetsy Mahamasina tamin’ny sabotsy 4 aogositra teo ny Elgeco Plus Analamanga mpampiantrano.

 

Ny Elgeco Plus no nahatafiditra ny baolina voalohany tany amin’ny minitra faha-4 ka io isa no no nialana sasatra ary dia saika nanomboka niaro teny ry zareo hatramin’io nahafatesany baolina io saingy nosahalan’ny Fosa Juniors tamin’ny alalan’i Mario teo amin’ny minitra faha-61 izany ary nihoarany 2-1 teo amin’ny minitra faha-78 nahazoany penality nampidirin’i  Baggio kapiteny. Afa-bela tamin’ny Elgeco Plus Analamanga izany ny Fosa Juniors Boeny raha resiny tamin’io isa 2-1 ihany koa tany amin’ny dingana faha-2 notontosaina teny Vontovorona tamin’ny 22 jolay 2018. Fa omaly alahady 5 aogositra kosa teny Vontovorona kosa dia tsy afa-bela tamin’ny Cnaps Sport ny Fcv Vakinankaratra fa rehefa resin’izy ireo tamin’ny 3-0 ny 13 jolay teo tany Fianarantsoa tamin’ity “Champions League” ity ihany dia mbola lavony 3-1 ihany tamin’io omaly io na dia nitarika 1-0 azy teo ampialan-tsasatra ny ekipan’ny Cua Antsirabe. Marihana fa any Mahajanga sy Antsirabe no hanatanterahana ny andro faha-2 amin’ity Poule des As 2018 amin’ny alahady 12 aogositra ho avy izao.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT