Sport

Kitra - « Poule des As » Hanafika an’i Mahajanga ny FCV Vakinankaratra


  • Alakamisy 30 Aogositra 2018

Taorian’ny fiatoana kely noho ny nanatanterahana an’ireo lalao 1/4-dalan’ny Telma Coupe de Madagascar 2018 dia hitohy amin’ny alahady 02 septambra izao indray any Mahajanga sy etsy Mahamasina ny Poule des As amin’ny « Champion’s League Malagasy 2018 ».

 

 

 

Miditra amin’ny andro faha-4 ity fifaninanana ity ankehitriny ka any amin’ny kianja Rabemanjara Mahajanga dia horaisin’ny Fosa Juniors Boeny ny FCV Vakinankaratra. Fanontaniana hapetraky ny maro ny hoe : mbola mety hahatozona sahala ny Fosa toy  ny tany Antsirabe tamin’ny 19 aogositra 2018 indray ve ny FCV amin’ity indray mitoraka ity ? Etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina kosa dia hanala vela amin’ny Cnaps Sport Itasy naharesy azy 3-1 tamin’io faha-19 aogositra io tany Vontovorona ny Elgeco Plus Analamanga.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT