Sport

Kitra Nahomby ny Barea Akademia sy ny Barea vehivavy


  • Talata 02 Jona 2015

Niditra tamin’ny andro fah-8 ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga sokajy zandriny U15 zazalahy ny faran’ny herinandro teo. Nisy ny lalao natao teny amin’ny kianjan’i Carion ka ny Barea Akademia nanamontsana an’ny Elgeco Plus tamin’ny isa mavesatra 4-0

. Mitarika lah-1 vonjimaika taorian’io andro fah-8 io ny ekipan’ny Barea Akademia ity manana isa 24. Ho an’ny Barea vehivavy izay manomana ny Lalaon’ny Nosy hatao any la Reunion amin’ny volana aogositra izao kosa dia nifarana ny sabotsy teo koa ny fampivondronana andiany voalohany. Mpilalao 35 moa no nantsoina nanaraka izany nandritra ny herinandro teny Carion. Niatrika lalao fitsapana izy ireo ny sabotsy teo ka nanamontsana an’ny ASKAM Itasy. Fihaonana 30 minitra in-telo niditra izy io ka nandresy hatrany ny ekipam-pirenena, 3-0 tamin’ny fizaram-potoana voalohany, 2-0 tamin’ny fidirana fah-2 ary 4-0 tamin’ny ampaham-potoana fah-3 farany.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT