Sport

Kitra Mpilaravinahitra ny 50%-n’ny Barea hihaona amin’ny RD Congo


  • Alarobia 03 Jona 2015

Tafaverina an-tanindrazana omaly ny delegasiona malagasy avy niatrika ny Cosafa Cup natao tany Afrika Atsimo. Tsiahivina fa lah-3 i Madagasikara tamin’io fifaninanana aty Afrika faritra astimo io rehefa nandavo an’i Botsoana tamin’ny fiadin-toerana.

 
 
Notoloran’ny federasiona malagasy fankasitrahana ireo mpilalao ka samy nahazo 6 hetsy ariary avy. Tsiahivina fa efa samy nahazo 100 dolara avy izy ireo nialoha ny fihaingana. Mpilalao efatra tany Afrika atsimo ihany koa no efa nokitikitihan’ny ekipa Tiorka tany an-toerana dia i Nônô, Njiva, Mika, Lanto kely. Mpilalao roa ihany koa efa tilitilian’i Alzeria dia i François sy Nônô ary efa nisy fifampiresahana tamin’ny filohan’ny federasiona malagasy mihitsy. Nitsapa an-tsika Malagasy moa ny Cosafa raha azo afaka handray ity fifaninanana ity i Madagasikara. Ny olana goavana anefa dia ny fotodrafitrasa toy ny kianja. Mikasika ny lalao tafiditra amin’ny fifanintsanan’ny CAN hihaonana amin’ny RD Congo atsy ho atsy dia mpilalao mpilaravinahitra telo no voalaza fa maratra ka tsy afaka handrafitra ny ekipam-pirenena dia i Anicet sy Amada ary Ima. Araka ny nambaran’ny federasiona dia heverina hisasaka tsara ireo mpilalao handrafitra ny Barea ahitana 50% avy an-toerana ary toy izay koa ny mpila ravinahitra.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT