Sport

Kitra – Mpilalao zandriny mendrika Natomboka tamin’ny fitsapana ara-teknika ny fitiliana


  • Alakamisy 04 Jona 2015

Tsy vitan’ny nanatrika fotsiny fa manome fanazarantena ho an’ireo sokajy zandriny tetsy Mahamasina mihitsy i Yvon Avry manampahaizan’ny Fifa ny faran’ny herinandro teo

 

. Izy ity moa dia fiaraha-miasa amin’ny ligin’Analamanga ary eo ambany fiahian’ny tale teknika nasionaly. Nisy mihitsy ny fitsapana ara-teknika natao ireo katitakely toy ny fahaizana manao tolotra, nitondra baolina, manao “tirs au but”, mitanisa sy mandona baolina amin’ny loha … Ity hetsika ity moa dia fanombohan’ny fifaninanana fitiliana ireo mpilalao katitakely mendrika andiany voalohany izay hatao ny 27 jona eny amin’ny Urban Futsal Andraharo. Mbola hisy koa ny fitsapana amin’ny alalan’ny lalao. Manaraka akaiky izao fitiliana izao ireo mpanabe mitarika klioba eto Analamanga izay mampilalao ireo katitakely U11 sy U13. Io fifaninanana fitiliana io moa dia misokatra ho an’ireo teraka ny 2002-2003 sy ny 2004-2005. Tanjona amin’izao hetsika santatra eto Analamanga izao ny hamoaka mpilalao tena manana kalitao afaka handrafitra ekipa matanjaka atsy aoriana kely.

Rasanda Serge

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT