Sport

Kitra – Mondial Pupilles Mila fanampiana ny Etoile filante


  • Alakamisy 15 Aprily 2010


Efa hatramin’ny volana desambra no nanomboka ny fanomanantenan’ny Etoile filante izay anisan’ireo ekipa malagasy telo hiatrika ny Mondial pupilles (U13) andiany faha-25 hatao any Plomelin ny 13-16 mey izao. Vao ny 35%-n’ny vola ilaina, hoy ireo tompon’andraikitra no voaangona amin’izao iray volana mialoha ny fifaninanana izao, izany hoe vao 8 tapitrisa ariary raha 54 tapitrisa no tadiavina. Efa nanolo-tanana ny ekipa hatramin’izao ny Air Mad izay nanome fihenambidy, ny Elite GSM nanampy amin’ny saran-dalana ary ny Adema nanome fanamiana samihafa…19 no handrafitra ny delegasiona hiatrika io fifaninanana iraisam-pirenena io ka 16 ireo mpilalao. Marihina fa ekipa 72 avy amin’ny firenena 35 no hifanintsana amin’io Mondial pupilles io ka tafaraka vondrona amin’ny Etoile filante ny Olympique Fc M’Bour, Uks Lider Whodlwek, Liderenca Sao Paulo, Ullern 97, Lille OSC, Caluire, Lannion ary ny Sélection de Douarnenez. Ireo roa voalohany isaky ny vondrona moa dia hanohy any amin’ny ampahavalon-dalana. Folo taona nisiana izao ny Etoile filante ary ny mpanazatrany, Rabemaromanga Yves moa dia ilay nahatafita ny Ajesaia ho lasa tompondaka tamin’ny taona 2006. «Manana tombony amin’ny vatana sy ny talenta ny Etoile filante raha oharina amin’ny Ajesaia tamin’ny 2006 izay namiratra tamin’ny fahaiza-miaraka» araka ny nambaran’i Yves. Ny Tsimialonjafy Fc sy AJSAM kosa ireo tarika roa hafa hiatrika io Mondial ho an’ny katitakely io.

HR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT