Sport

Kitra – Mondial 2010 Lalao “sms” Telma mahalasa any Afrika Atsimo


  • Zoma 26 Martsa 2010

Miroso amin’ny lalina kokoa hatrany ny orinasam-pifandraisan-davitra Telma amin’ny fanohanany ny federasiona amin’ny fampiroboroboana ny kitra tao anatin’ny roa taona niarahan’ny roa tonta niasa.

Hanome fahafaham-po ny Malagasy tsy an-kanavaka samy hanana herizika ho any Afrika Atsimo ka hanatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany (11 jona-11 jolay). Hisy ny lalao “sms” misanda 2000 ariary manomboka anio 26 martsa hatramin’ny 28 mey izay hanaovana fisarihana ilay tsara vintana iray isan-kerinandro, isaky ny zoma amin’ny 4 ora tolakandro eny amin’ny Telma Alarobia. Olona 11 izany no hahazo io loka io dia ny fiantohana manontolo mihazo an’i Afrika Atsimo, toy ny tapakilan’ny fiaramanidina, fiantranoana ary fijerena lalao fifanintsanana iray. Hahazo fahitalavitra “écran plat 32’’ kosa izay voasarika faharoa ary loka maro hafa ho an’ireo hafa voasarika. Mpanao gazety efatra ihany koa no hiantohan’ny Telma hanatrika io Mondial io ka ny fandrakofana ny hetsik’ity orinasa ity no masontsivana hifanentana azy ireo. Ankoatra ireo dia hisy ny lalao Mondial amin’ny fahitalavitra sy onjampeo ahazoana loka toy ny fiantohana manontolo mankany Afrika Atsimo sy loka maro hafa. Miara-miasa akaiky amin’ny Telma sy ny federasiona amin’izao hetsika izao ny masoivoho Afrikanina Tatsimo. Nanambara moa omaly ny tale jeneralin’ny Telma, Patrick Pisal Hamida, fa “nivaingana tokoa ny fanampian’izy ireo ny federasion’ny kitra izay nahatratra 280 tapitrisa ariary tamin’ny taom-pilalaovana 2009 iny” ary nampanantena sahady ny tenany fa “hanatevina io fanampiana io hiakatra avo roa heny amin’ity taona 2010 ity izay taonan’ny kitra aty Afrika”.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT