Mitohy tsy tapaka isan-kerinandro ny fifaninanana lalao baolina kitra Openy Ny Sahy andiany faha-23 miady amin’ny zava-mahadomelina karakarain’ny Ong Ny Sahy eny amin’ny kianjan’ny 80 lahy eny Mandrosoa Ilafy.
Voka-dalao tamin’ny 26 jolay lasa teo : All Stars 0 – 2 Fc Tank ; Fc Tanàna 1 – 1 Fc Zam ; Fcm 1 – 2 Reste Racing ; Fc Totoafo 4 – 3 Fc Kiki ; Jcl 0 – 3 Cousin Sports.
Fandaharan-dalao amin’ny 02 aogositra 2015 : 7:30-Rca # Ajax ; 9:30-Asa # Jsa ; 11:00-Jcl # Ass ; 1:00-Atm # Fc Tank ; 15:00-Fcm # Tamia.
Marihana fa ny saboty 01 aogositra izao dia hisy fivoriana manokana mikasika ny hetsika Grassroots ho tanterahina ao amin’ny biraom-pokontany eny Mandrosoa Ilafy manomboka amin’ny 9 ora maraina.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.