Sport

Kitra Malagasy sy Afrikanina Tazanim-potsiny ve ny famotehina an-kolaka azy ?


  • Zoma 19 Martsa 2021

Velom-panontaniana ankehitriny ny mpanara-baovaon’ny baolina kitra afrikanina,

 

 indrindra ny kitra Malagasy, mikasika izay mba hetsika ataon’ingahy Patrice Motsepe, filohan’ny kaonfederasionina afrikanina vaovao, manoloana ity fanakanana ireo mpilalao iraisam-pirenena afrikanina tsy hivoaka ny klioba misy azy ireo ity. Saika voakasika izany avokoa ireo mpilalao any Eoropa, indrindra moa fa ny ao Frantsa. Lazaina fa antony tsy hamelana ireo mpilalao hamonjy ny ekipam-pireneny amin’ny ankapobeny ny resaka valanaretina Covid 19. Mizotra tsara ara-potoana ankehitriny ny lalao iraisam-pirenena ao Eoropa ary hatreto aloha dia tsy dia ahenoana izay fanakanana izay loatra ireo mpilalao eoropeanina mila mamonjy ny ekipam-pirenen’izy ireo. Tsy afaka manao hetsika manoloana izao famotehana an-kolaka ny kitra Malagasy sy Afrikanina izao ve ny filohan’ny CAF vaovao fa dia tazanim-potsiny toy ny tany nahalavoana hatrany ny zava-misy? Tsiahivina fa isan’ny adihevitra be nampifanolana ny filohan’ny CAF teo aloha, ilay Malagasy, Ahmad Ahmad, sy ny teo anivon’ny federasionina iraisam-pirenena na FIFA ny fikasan’ity farany hanova ny tompondakan’I Afrika na CAN ho isaky ny 5 taona. Rehefa tsy nekena izany io dia izao potehina an-kolaka sy tazanim-potsiny izao indray ny kitra aty Afrika.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT