Sport

Kitra Malagasy – « Poules des As 2017 » Mitarika ny CNaPS Sport


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2017

Mitarika lavitra amin’ny isa 9 ny CNaPS Sport Itasy rehefa nandresy 3-0 indray ny Cosfa Analamanga omaly alahady 22 oktobra 2017 teo amin’ny andro faha-3-n’ny “Poules des As”

dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara izay notanterahina tany amin’ny kianjan’Ampasambazaha Fianarantsoa. Manaraka azy kosa ny Elgeco Plus Analamanga manana isa 6 izay nandresy 2-1 ny Hzam Alaotra Mangoro ihany koa omaly. Laharana faha-3 ny Hzam manana isa 1 miiba 2 ary faha-4 ny Cosfa manana isa 1 miiba 4. Raha ny daty efa navoakan’ny FMF tany am-boalohany hanatanterahana ny dingana faharoa dia voafiratra hotanterahina amin’ny 12-19 Nov 2017 izao izany nefa miankina amin’ny komity mpitantana ny FMF ihany izay hanatanteraka  fivoriana amin’ny fiandohan’io volana novambra hitsidika io ny amin’ny fanapahana ny daty raikitra sy ny toerana hanaovana an’io dingana faharoan’ny “Poules des As 2017” io.

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT