Lalao efatra no nanamarika ny andro fah-17 amin’ny Ligy-1. Samy nanohy ny fahombiazany ireo ekipa sokajiana ho goavana ary miezaka ny mitazona ny toerana misy azy any amin’ny lohan’ny filaharana. Ny Tana FC izay mitana vonjimaika ny lah-1 dia nampiondrika an’ny St Michel tamin’ny isa 2-0 ary tafajanona eo amin’ny lohan’ny filaharana hatrany
. Niakatra eo amin’ny lah-2 kosa ny Iarivo FC izay nandavo an’ny 4FA Alasora tamin’ny isa 2-0. Eo amin’ny lah-4 hatrany koa ny AS Adema izay nandresy an’ny Cosfa tamin’ny isa 2-0. Nirava ady sahala 2-2 kosa ny fihaonan’ny Vesta sy Cospn. Hiato kely ny fifaninanan’ny Ligy-1 Analamanga amin’ity herinandro ity satria misy ny lalao ara-pirahalahiana hataon’ny Barea ary maro amin’ireo mpilalao eto Analamanga no voaantso mandrafitra ny ekipam-pirenena.
Rasanda Serge
Filaharana : 1-Tana FC (40,+25), 2-IFC (37,+15),3-Elgeco Plus (36,+24), 4-AS Adema , 34,+18), 5-Vesta (27,-4), 6-Cosfa (24,+3), 7-Mama FC (22,+1), 8-ASSM (21,-1), 9-Cospn (15,-9), 10-Hezami (12,-19), 11-4FAA (8,-23), 12-STK (3,-30)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.