Sport

Kitra – Ligy1 Manomboka miroso amin’ny tsotsorimamba farany


  • Zoma 05 Jona 2015

Hiverina hitohy indray rehefa niato iray volana latsaka kely teo ny Ligy-1 eto Analamanga. Hiditra amin’ny andro fah-19 ny fifaninanana ny alahady izao. Marihina fa noho ny fiatrehan’ny Barea izay norafetin’ny ankamaroan’ny mpilalaon’Analamanga ilay fifaninanana kaontinantaly

“Cosafa cup” teo anton’ny nampiantonana kely ny fifaninanana teto Analamanga. Lalao enina no hotanterahina ny alahady izao eny Carion sy etsy Mahamasina. Mbola mitarika lah-1 vonjimaika moa izao ny Tana FC izay manana isa 41 arahin’ny IFC izay manana isa 40 ary fah-3 sy fah-4 samy manana isa 37 avy ny Elgeco Plus sy AS Adema. Mbola mifanakaikikaiky avokoa ny isa ho an’ireo laharana dimy voalohany ka azo antoka fa mbola hiady be ireo andro efatra faranany amin’ny lalao miverin’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga ity.

Rasanda Serge

Fandaharan-dalao

Kianja Carion :

9:00-4FAA#Elgeco Plus

11:00-AS Adema#Cospn

1:00-STK#Mama FC

Kianja Mahamasina :

10:30-Tana FC#Hezami

12:30-ASSM#Cosfa

2:30-Vesta#IFC

Filaharana : 1-Tana FC (41,+25), 2-IFC (40,+19), 3-Elgeco Plus (37,+24), 4-AS Adema (37,+19), 5-Vesta (30,1), 6-Cosfa (28,+4), 7-Mama FC (25,+1), 8-ASSM (21,-2), 9-Cospn (16,-9), 10-Hezami (13,-24), 11-4FAA (8,-23), 12-STK (3,-30)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT