Sport

Kitra – Ligy Vatovavy Fitovinany Iharan’ny antsojay ny kandida Giscard


  • Zoma 24 Novambra 2017

Mahatsapa Atoa Andriano Giscard sy ny ekipany fa miala any ny antsojay mikendry ny hisomparana ny maha kandida azy ho filohan’ny Ligin’ny baolina kitra ao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany.

Ahian’izy ireo ho ao ambadik’izany ny federasion’ny baolina kitra Malagasy (FMF). Ity farany izay fantatra fa nanongana ny lisitr’ireo kandida rehetra ary hita fa hafahafa fihetsika amin’ny kandida Giscard ka mety hikaroka ny fomba rehetra tsy hanekena ny filatsahan-kofidiany. Ny 10 novambra 2017 lasa teo moa no nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany tao Manakara i Andriano Giscard ary voamarina fa ampy tsara sy ara-dalàna ny taratasy rehetra. Mandeha ny fanadihadiana any ambadibadika any hoe oviana no nanatitra taratasy i Giscard ary iza no nandray azy ? Tsara homarihana fa manohana ny filatsahan-kofidian’ity kandida iray ity ny seksiona 4 any Vatovavy Fitovinany dia Manakara, Mananjary, Vohipeno ary Ifanadiana, izay midika fa efa azo antoka ny fahalaniany mazava raha atao ny fifidianana. Izany angamba, hoy ny ekipan’i Giscard Andriano no mahatonga izao antsojay sy kapa vava ranjo izao. Nilaza ihany koa ireto seksionina 4 any Vatovavy Fitovinany ireto fa tsy azo ekena ny fifidianana filohan’ny ligy any an-toerana raha sanatria ka misy ny fanilihana kandida.

RTT


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT