Sport

Kitra – Ligy 1 Mifikitra eo amin’ny lohany ny Tana FC


  • Zoma 24 Aprily 2015

Tsy nanova ny filaharana vonjimaika ireo vokadalaon’ny andro fah-15 amin’ny Ligy-1 eto Analamanga natao omaly. Mbola tafajanona eo amin’ny lah-1 ny Tana FC izay manana isa 34 taorian’ny nandavoany an’ny Cosfa tamin’ny isa 2-0 teny Mahamasina.

 

 



Eo amin’ny lah-2 hatrany koa ny IFC izay manana isa 34 ihany ka ny Mama FC no lavony tamin’ny isa 2-0 omaly teny Mahamasina ihany. Eo amin’ny lah-3 ny Elgeco Plus (isa 32) izay nanamontsana an’ny Hezami 4-0 teny Alarobia ary lah-4 ny AS Adema (isa 31) izay nandresy mazava an’ny Vesta tamin’ny isa 4-0. Lah-5 kosa ity farany izay manana isa 25. Isan’ireo tarika nahazo fandresena omaly koa teny Alarobia ny Polisy, tamin’ny isa 2-0 nanoloana an’ny 4FA Alasora ary ny St Michel nampiondrika an’ny STK 1-0. Hiditra amin’ny andro fah-16 indray ny fifaninanana ny faran’ny herinandro izao.

Rasanda Serge

Filaharana
1-Tana FC (34,+22), 2-IFC (34,+15), 3-Elgeco Plus (32,+22), 4-AS Adema (31,+17), 5-Vesta (25,0), 6-Cosfa (24,+5), 7-Mama FC (21,+1), 8-ASSM (20,+1), 9-Cospn (11,-12), 10-Hezami (9,-20), 11-4FAA (8,-19), 12-STK (3,-28)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT