Sport

Kitra – Ligy 1 Hiady ny anaramboninahitra ny IFC sy Elgeco Plus


  • Alarobia 08 Jolay 2015

Hotanterahina anio alarobia sy rahampitso alakamisy eny Carion ireo lalao enina tafiditra amin’ny andro faha-22 faran’ny tompondakan’Analamanga na Ligy-1

 

. Araka ny filaharana taorian’ny andro faha-21 alohan’ny farany dia mitarika vonjimaika ny IFC izay manana isa 47, faha-2 ny Elgeco Plus (46) arahin’ny Tana FC sy AS Adema izay samy manana isa 44. Raha vao mandresy ny IFC amin’ny fihaonany amin’ny St Michel dia izy no handrombaka ny anaramboninahitra. Raha resy kosa na sahala ka mandresy an’ny Tana FC ny Elgeco Plus dia ity farany no hisalotra ny anaramboninahitra. Ireo lalao roa ireo izany no hamaritra izay ekipa hibata ny anaramboninahitra tompondakan’Analamanga taom-pilalaovana 2015. Hanokatra ny lalao anio moa eny Carion ny fihaonan’ny Mama FC sy AS Adema. Fiadiana laharana fotsiny kosa ireo lalao hatao rahampitso.

Rasanda Serge

Fandaharan-dalao:

Alarobia 8 jolay (Carion)

9.30: Mama FC-AS Adema

11.30: IFC-ASSM

1.30:  Elgeco-Tana FC

Alakamisy 9 jolay (Carion)

9.30: Cosfa-STK

11.30: Hezami-Cospn

1.30: 4FA-Vesta

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT