Efa saika fantapantatra avokoa ankehitriny ireo ekipa tafita any
amin’ny dingana faharoa amin’ny fifaninanana baolina kitra “Ligue
des Champions Malagasy 2020”, indrindra any amin’ireo Faritra 3
(Fianarantsoa , Toamasina ary Mahajanga) noho ny fiaraha-miasa
matotra avy amin’ireo ligim-paritry ny baolina kitra ireo. Tany amin’ny vondrona A Mahajanga, vokatry ny andro faha-5 natao omaly alahady : Mama Fc 3 -0 Fc Justice ; Ased 2 – 0 Mtm. Voalohany tao amin’ity vondrona ity ny Mama Fc, faha-2 ny Tsaramandroso Format° ary faha-3 ny Ased DIANA. Tany Atsinanana dia nahazoam-bokatra koa ny andro faha-5 farany tamin’ny dingana voalohany notontosaina tao amin’ny kianja Barikadimy. FC AMBATOSOA 5 – 0 FC V ; KINTANA FC 4 – 3 FIVE FC ; AS FORTIOR 2 - 1 HZAM. Ny 3 voalohany tafita amin’ny dingana faharoa ao amin’ity vondrona B ity dia ny 1°-FC FIVE (12pts), 2°- AS FORTIOR : (9 pts) (-1), 3°- FC VAKINANKARATRA : (6 pts) ..
Tany amin’ny vondrona C Fianarantsoa : Fc Anjado 2 – 0 Aigle Noir ; Asmo Amboasary 2 – 0 As Fitafa ; Jfc 5 – 4 Fomela. Ny Asmo Amboasary sy ny Jfc ary nyFomela no miakatra any amin’ny dingana faharoa amin’ity fifaninanana ity. Vokatra tokana kosa no voaray ho an’ny vondrona D Antananarivo tamin’ny andro faha-5 notontosaina teny Carion omaly alahady 08 martsa dia Fc Zanagasy 1 – 0 Disciples Fc.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.