Kitra_Ligue 2 Frantsay

Namono baolina i Rayan, manakaiky ny Ligue 1 ny Auxerrois


  • Alatsinainy 18 Martsa 2024

Mizotra hatrany makany amin'ny fiakarana ho ao anatin'ny Ligue 1

ny lalan'ny AJ Auxerre misy an'ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson hatreto. Rehefa tsy nahita fandresena fa nionona tamin'ny ady sahala tao anatin'ireo lalao roa na telo teo, dia rava indray aloha izany, ka nivoaka mpandresy 2-1 nanoloana an'i Caen izy ireo ny sabotsy alina teo, tao amin'ny kianja Didier Deschamps ao an-jaridainany. Ny vahiny no nampiditra ny isa teo amin'ny minitra faha-16, ary tany amin'ny minitra faha-76 vao sahalan'i Rayan Raveloson tamin'ny alalan'ny "coup de tête" tsara dia tsara, tolotra avy amin'ilay vodilaharana Paul Joly. Baolina fahatelo matin'i Rayan tato anatin'ny taom-pilalaovana io. Efa tany amin'ny faha-82 minitra ny baolina faharoa satria mbola nahavita tolotra faharoa tsara dia tsara indray i Paul Joly, ka matin'ilay Breziliana Jubal kapitenin'ny AJ Auxerre. Mitarika hatrany amin'ny filaharan'ny Ligue 2 ny Auxerrois hatreto amin'ny alalan'ny isa 55, ary nitombo ny elanelana eo aminy sy ny Angers SCO faharoa satria resin'ny Amiens tamin'ny isa 3-1 tao an-tananany tao amin'i kianja Raymond Copa ny andaniny, ka mijanona amin'ny isa 50.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT