Sport

Kitra- Ligin’Amoron’i Mania Ho lasa seksiona 4 no handrafitra azy


  • Talata 20 Febroary 2018

Efa vita tamin’ny 27 janoary teo ny fanokafana ofisialy ny taom-pilalaovana 2018 ho an’ny ligin’ny baolina kitra any Amoron’i Mania tarihan’ny filoha vaovaony, Randriantsoaniaina Nirilanto, ka nisy ny “tournoi firaisankina” notanterahina tao Ambositra renivohitry ny Faritra tamin’izany : Ambositra 1 – 0 Fandriana.

 

Nomarihan’ity filoha ity fa seksiona 4 ankehitriny no mandrafitra ny ligin’ny baolina kitra any an-toerana dia Ambatofinandrahana, Ambositra ary Fandriana  izay hiampy ny seksionin’i Manandriana vao hatsangana atsy ho atsy. Ireo no hisahana ny fifaninanan’ny sokajy D-2 fa ny ligy kosa no hisahana ny D-1 ahitana ekipa 8 ankehitriny ary hoezahina ho ekipa 10. Hoezahina ihany koa ny hisian’ny “tournoi” ho an’ny vehivavy sy ny U 15 ary U 17 amin’ity taona ity. Ny fiofanana samihafa hanatsarana ny baolina kitra Amoron’i Mania dia himasoana ihany koa. Efa miatrika ‘perfectionnement” ireo mpitsara any an-toerana ankehitriny.

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT